IRY VOLA-MIBALIAKA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Somary handringa amin’ny fijerin’ny maro aho eto satria amiko dia ny teny hoe: Ianao sy indrỳ dia teny mitovy ka noho izany dia tsy hitako ny lanjan’ny fanasarahana ny teny an-drỳ izay tokony ho andrỳ amiko satria mitovy amin’ny anao ihany koa. Koa aza tsiny indrindra amin’izay mety ho tohina amin’ny fanoherako ny rakibolana.

IRY VOLA-MIBALIAKA…
Somambisamby akia, iry vola-mibaliaka,
mamangy antsika indray, fa manina ny tafa!
Any izao indrỳ mitsiaro ny amintsika,
ka asa raha mihevitra, izany ho voafafa!

Andrỳ akia ny foko a! Andrỳ tsy hanombinana !
Izaho koa aty toa, faly sy sahirana,
mijery izato volana, ilay fanafarako:
“Hafatra miampita, maneho ny tantarako”!

Iry vola-mibaliaka e! Mba koa mitsiky amiko!
Ka hany ny elanelana, no indro indray mandingana!
Irony tsikinao ka! Teliko sy mamiko!
Ka ny fitiavantsika ho’aho e! Tsy mba mety ringana!
RRAG
07 Aprily 2020
--------
Rohy:
287 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0215