ISAORAKO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ISAORAKO…
Moa tsy mendrika ny omeko,
sy mendrika hotolorako,
haja sy dera,
ianao ‘lay avo indrindra?
Izay ianao ‘lay Raiko,
hany mba nanolotra,
ny zavatra ilaiko,
tsy teny antendro-molotra.

Ianao ‘zao no nanajary,
ny taniko ry Ray.
Ianao ‘lay Zanahary,
mbola mitahy anay.
Mitahy ity tany mendrika,
sary tongotra ankavia.
‘Zay mifanitsy amin’ny foko,
‘lay hany afaka mitia.

Isaorako ny lanitra,
izay mamelombelona azy.
‘Reo voninkazo manitra,
samihafa, manaingohaingo azy.
Ka isaorako ny rano,
mampitonitony ny adiny,
nampangina ny aty fony,
mba hiadanan’ny olony!

Isaorako ny rivotra,
‘zay mampiaina azy iny.
Ka ahafahany mivoatra,
tsaratsara noho ny fahiny.
Isaorako avokoa,
irony mba mikajy,
ka mba mizara soa,
hamelombelomana azy!
RRAG
Oktôbra 2010
--------
Rohy:
357 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0177