ITSY KINTANA ITSY AKIA...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ITSY KINTANA ITSY AKIA...!
Itsy kintana itsy akia a!
Toa mijery antsika roa a!
Manambara fa fitia,
ilay mitsiry ao am-po!

Itsy kintana itsy koa e!
Mpitondra ny hafatrafatsika!
Ilay mahafantatra ny zo!
Ilay hifamatorantsika!

Itsy kintana itsy angamba!
Ilay mpamafa ranomaso!
Ilay modiantsika ho jamba,
rehefa ilavitra izay matsatso!

Itsy kintana itsy manko e!
Naman-tsy mba manadino!
Saingy indrisy sendra ankaso!
Dia nitsilopy tsy nampino!

Itsy kintana itsy ilay,
tinarafintsika an-jery!
Famato-pitia mandrakizay!
Ilay mpitahiry tsiaro very!
RRAG
06 Janoary 2021
--------
Rohy:
209 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0215