ITY FAHOTAKO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ITY FAHOTAKO…
Indrisy ry fiainana be siasia,
ity fahotako!
Toa neni-mandatsa ny foko nitia,
ilay fahajambako!

Nilaozako mantsy, ‘lay hany olon-tiako,
fa tsy mba ninoako!
Vavan’ny hafa, no nomeko lanjany,
fa tsy ny fitiavany!

Ity fahotako!
Hoentiko ho aiza, izato nenina, manarona ahy?
Ny efa vita tsy hiverina intsony, nefa aho toa tsy sahy.
Menatra loatra, ny hiala-tsiny, tamin’ny ratsy ‘zay vitako!
Ity fahotako!
Ry ‘ty fahotako, toa ‘zao ianao vao hitako!

Ny fambaran’ny hafa, no nankasitrahiko,
ny teninao, toa zary ahiahiko.
Ka inona intsony, anefa ny amiko,
fa ianao ‘lay tiako, no nandao ny akaniko?

Ity fahotako!
Toa tara loatra, izay vao hitako,
tsy neniko mantsy, raha tsy efa vitako,
ny nandrava tsy satry, ‘lay fitia fato-maty!
Efa vita voady, fa ho mandramaty.

Ity fahotako,
miangatra ianao e!
Nahoana kosa,
fa hatraiza mihitsy, ny vidin-trosa,
tsy maintsy ho efaiko,
vao hoavelanao,
hitony ny saiko?
RRAG
Aprily 2012
--------
Rohy:
350 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0165