IZA? (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZA?
Iza amintsika no hoe sahy miteny,
fa ny sisa fananany dia mbola homeny,
ho tolo-pitiavana ho an’ny mijaly,
izay fadiranovana maty mosary?

Iza ny olona hahafoy ny ainy,
ho an’ny taniny izay andrandrainy,
sy ho an’ny tiany ilay nofinidiny,
ary ho an’ny fony hany safidiny?

Tsy nisy, tsy misy,
ary mety tsy hisy!
Satria resin-tahotra sy matin-karena,
Matim-boninahitra sy tia tena.
Dia aleony ny ainy no hovonjena,
fa navela nianjera ity firenena.

Iza ‘lay olona nilaza hoe tia,
nieboebo ho olom-pirenena,
ka nilaza fa vonona hiara-dia,
tsy horahonana na hoterena?

Iza ‘lay olona lazaina hoe mendrika,
niaro ny taniny tsy mba ho rendrika,
hiakaram-pahavalo mba hosihoseny,
ka hoginedrainy sy hotinereny?
RRAG
11 Oktôbra 2010
--------
Rohy:
267 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0209