IZA IANAO? (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZA IANAO?
Iza ianao raha tsy mahadiso? Fa tiako ho fantatra sy ho lala.
Ny endrikao toy ny efa hitako, tsy vaon’ny masoko mijery.
Ny anaranao mitamberina, toa efa maro mpahalala.
Ny bikanao toa anjely, ny toetranao koa misitery.

Saingy meva raha fijery, sariadriaka tava lava.
Nefa moa ve ireny, dia ahafahana milaza,
izay am-ponao, voatahirin’itsy ela?
Aiza no porofo, fa ianao tsy tia dera?

Iza aloha ianao, ilay miseho mahafantatra ahy?
Fa na ny anaranao aza, manaitra ny atin’ny fanahy.
Hikitika ny fo, hiantsampy an-tratranao!
Iza aloha ianao? Eo re mba lazao.

Ny mahagaga ahy anefa, izato ianao tsy mba miteny.
Tsy mety mba milaza, izay tena anaranao.
Fa ny hany mety ho fantatra, dia ‘reny re ireny.
Saingy atahorako, tsy misy akory, fiantso anao!

Iza izato ianao? Miezaka manambitamby.
Misafo izato ranomasoko, latsaka tsy nahy.
Dia nofonosinao, nasianao sangisangy,
ilay tontolo androko, feno ahiahy.

Iza ianao raha tsy mahadiso? Fa tiako ho fantatra sy ho lala.
Ny hakantonao anio sy ampitso, dia efa mety hahalasa adala.
Ka iza ianao? Sao handao ny sori-dalako.
Iza ianao? Iza a? Eo valio, fa tena tsy lalako.
RRAG
07 Janoary 2013
--------
Rohy:
302 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0209