IZA MOA IANAO...? (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZA MOA IANAO...?
Mba gagagaga ihany aho, mandinika 'ty foko,
tsy mba nahatana tena, raha vao nahita anao.
Zary isan'androko, lasa namana tsy foiko!
Mba manontany tena aho hoe: “Iza moa ianao?”

Mientana avy hatrany, ny atiko rehetra!
Mihovitra ny tenako, eo akaikinao.
Ny afo izay mirehitra, toa tsy manam-petra.
Hafa mihitsy izany hoe, eo anilanao!

Iza moa ianao, no dia tsy tanako ato?
Tsy tanako ato am-poko, fa mainka mitroatra.
Iza izato ianao, midoboka tsy miato?
Nosakanako ihany, saingy mbola tafavoaka.

Iza ho’aho ianao, mampientana ny foko,
manosika ahy hitia, raozy toy izao?
Iza ity ianao, mahafantatra ny zoko?
Hafa ihany anefa, ny mbola misy anao!

Dia ianao r'ilay fitiavana, tokana madio.
Miavaka, hafa sampana, namako tsy foiko.
Ianao ekeko, indraindray, mitondra koa tadio.
Nefa tena namana, isan’ireo tsy foiko!

Ry fitiavana, iza moa ianao,
tsy mbola tena fantatro, tsy mbola tena haiko?
Mifamatotra amiko, eny hatramin'izao!
Ianao koa 'ndraindray, no mibaiko ity saiko.
Fa iza moa ianao?
Eo re mba lazao!
RRAG
28 Martsa 2017
--------
Rohy:
322 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0168