IZA NO…? (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZA NO…?
Iza? Iza no hahafehy?
Iza no hahavita?
Iza no hiaiky, fa tena vitsy an’isa,
‘reo fo mahay mitia?

Maro tsy hay hisaina,
‘reo olo-mankahala,
ny fohazan’ny maraina,
ka tsy te hahalala,
izay hazeran’ito alina,
anaty haizin-kitroka,
sy izato lava-dalina,
mety hahaditsoka;

Kanefa ireo minia,
manarona ny taratra,
handevonana fitia,
anaty alim-baratra.

Iza? Iza no hanafaka?
Iza no hanala,
‘ty faka nahasolafaka,
ireo tsy nahalala?

Iza? Iza ilay hiandrasana,
hanafaka ‘ty tany,
anaty sedram-pasana,
sy herin’ny tomany?

Indrisy fa efa lavo,
ilay toka-nantenaina,
hanarin’ireo lavo,
resin’ny adin-tsaina.

Indrisy fa dia resy,
sy lavon’ny fasana,
ilay hany fetsy,
noho ny afo niandrasana.

Fetsy noho ‘lay afo,
nandrehitra fanantenana.
Kinga noho ‘lay maso,
foto-kadalana.

Iza? Iza indray no handefy,
ny gogogogon-tany?
I Antsa efa tsy eto,
hampitony ny tomany.

Iza? Iza no hisolo?
Iza? Iza no hahasolo,
‘lay fo hafa fitepo,
miava-piaina sy vetso?

Iza? Iza no hitovy,
an’ilay Antsan’ny fitia?
‘Lay sahy nandrava tody,
izay nanarona ny dia!
RRAG
04 Nôvambra 2011
--------
Rohy:
288 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0167