IZA NO HAHASOLO? (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZA NO HAHASOLO?
Vao tinapaka tsy hitohy, ny tantarantsika roa,
dia mba niezaka nanopy, tany an-kafa izato fo.
Saingy aloka avokoa, no tinazako niserana.
Hafa ihany isika roa, ilay ivom-panaperana!

Dia naveriko indray, no nitazana 'lay lanitra.
Fa dia nahoana kosa kay, ny antsika no tsy naharitra,
fa noravan'ny laha-piainana, izay tsy azo nosakanana?
Toa zary ferim-panaintainana, no nikiry hoe hibahana.

Dia ny raozy an-jaridaina, no zary fivetsoiko anao.
Ny ivon-kalon'ny taraina, no mameno fo talaho.
Ka iza hoy ianao ry tiako, raha vony mbola eto an-tany?
Iza hoy ianao no hiriko, hahafafa ity tomany?

Mangetaheta anao malala, mangetaheta anao ny foko.
Mba maniry anao anjara, ka mba mieza-mitoloko,
amin'ny lanitra ambony, ny mba hiverenanao.
Satria ny foko tsy hitony, raha tsy eo anilanao!

Iza tokoa moa izany, ny singa mety hahasolo anao?
Raha mbola eto an-tany, toa tsy nisy hatramin'izao.
Zary nofy ratsin'ny aiko, ity lalana lalovako.
Sa kosa noforonin-tsaiko, ho zary aingam-pahatsiarovako?
RRAG
31 Janoary 2018
--------
Rohy:
277 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0233