IZAHO SY NY FANAHY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZAHO SY NY FANAHY…
Izaho sy ny fanahy hono, mba niresaka ny hoaviko,
tsy nitovy vina, nifanipaka fijery.
Ka ny ahy sa ny azy, no ‘ndeha aloha hotoaviko?
Ny ahy faniriana, f’izaho tsy afa-miady irery.

Izaho sy ny fanahy mantsy, mifampiankin’aina,
ny ràtrako mba feriny, miray izahay taraina.
Ka raha tsy toaviko izy, mety hitroatra koa!
Dia tsy maintsy avelako, izay fananan-jo.

Izaho sy ny fanahy raha fantatro, mifamato-drà,
saingy izy rehefa sahy, dia izaho no manahy.
Mifamototra eny foana, ny fijerinay,
mifamaly mihitsy aza, izahay indraindray.

Izaho sy ny fanahy kay! Mitovy tsy sahala,
ny antso ny azy tiana, fa ny ahy hoe malala.
Mitovitovy ihany, ny tombantomban-toetra,
samy tsy mahazaka, fitakiana an-kerisetra.

Izaho sy ny fanahy angamba, tsy iray fiaviana,
toa samihafa fomba, tsy mitovy faniriana.
Tsy miray latabatra, na dia miray vatana,
tsy mety miara-sambatra, fa samy te hihataka.

Izaho sy ny fanahy toa, iray fa singa roa,
mifamatotra akany, sady miray fo.
Nefa mifanatsafa, raha sendra miady hevitra,
teny mifandatsa, minia mifandrendrika.
RRAG
02 Martsa 2004
--------
Rohy:
289 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0871