IZANY A? (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZANY A?
Raha sendra mahatsiaro, 'reo resadresatsika,
somary nafangaron'ny hamamoan'ny tena!
Ka mbola mahatsapa, ny ho mbola tsy tafita,
na dingana iray aza, fa teo nihenahena.

Dia miverena kely, hitafatafa indray,
handrafitra 'zay paika, afaka ny ho atao.
Satria tokoa angamba, rehefa tafaray,
no tena ary elatra, ny nofinofinao.

Izany a? Ny nofinofintsika manko e!
Ilay te ho tafara-dia, tsy resim-pisedrana.
Miaraka mihika, mihoga, miantsoantso hoe:
"Ny fontsika akia a! Tokana malala a!"
RRAG
07 Desambra 2020
--------
Rohy:
219 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0219