IZAY ATAONAY ENY AMBONY FANDRIANA (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZAY ATAONAY ENY AMBONY FANDRIANA
Ianao ‘ngaha adala ka sahy manontany?
Mametraka lava ‘ty fanontaniana.
Ho inonao moa ‘zay ataonay any?
No dia toa saro-piaro tahaka ny hoe olon-tiana!

Izay ataonay eny ambony fandriana,
moa tsy anay dia anay ihany?
Ka maninona loatra no dia ampijaliana,
‘ty sainao ny hahalala izany?

Ianao ve miviky sa efa hitapy,
no dia ny alinay no ho adihadiana?
Toa tsipolitra ihany fa ratsy fiantsampy,
ka miantoraka mafy amin’ity manan-tiana.

Raha ‘zaho ianao dia tsy maka aretin-tsaina,
amin’ny zavatra ataonay, na aiza na aiza?
Izay izany avy ka tsy ahafahanao miaina,
fa dia hitakoritsihana hatraiza hatraiza?

Izay ataonay eny ambony fandriana,
inona no antony hiresahanay ‘zany?
Fa ‘ngaha moa ‘zahay, be fotoana hariana,
ka tsy hanan-koresahina ankoatra izany?
RRAG
12 Oktôbra 2019
--------
Rohy:
335 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0211