IZAY NO FETRA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha hoy i JJR hoe: “Tsy mba vero na mba rangolahy, no manafina an' io fasana io, fa ny nofoko zary manahy, no mandrakotra omaly sy anio”.
Dia hoy aho hoe:

IZAY NO FETRA…
Ry nofoko be fanahiana,
tsy hahaleo fahafatesana ianao!
Fa fotsiny hoe faniriana,
ny hivelona foana toy izao!

Ny lahatra lahatra ihany,
voasoritra tsy azo hamafana!
Ny fetra dia ambanin-tany,
an-damba tavoahangy mafana!

Mafana amin’inona moa,
raha ny maty aza tsy afa-miteny?
Tamin’ireo lasa taloha,
tsy nisy niverina teny,
nilaza ny fiainany tany,
fa tamana angaha rehefa any?

Ny rangolahy tsy nihetsika,
fa nitanan’ny toerany ihany!
Ny velona no be fihetsika,
miankohoka dia mitomany!

Moa hampody ny maty,
na hampiverina azy hitoetra?
Fotsiny, fakàna aretina anaty,
fa efa izay ny azy no fetra!
RRAG
30 Jolay 2021
--------
Rohy:
342 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0258