JABOLEVONA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
JABOLEVONA…
Jabolevona ny fanantenana, fa izy tsy hiverina!
Nofinofy ny fahazanana, raha tiana hitamberina!
Ranomaso no mby eny an-tava, rakofan-tsento!
Ny maraina aza ity tsy mazava, nangina ny vetso!

Jabolevona ilay fahafahana, hany niadiana!
Jabolevona ny fahagagana, ilay notinakiana!
Alahelo no mamatotra aina, tsy hay fafàna!
Izay natao dia ‘njay very maina, vokatra hadalana!
RRAG
06 Oktôbra 2002

Dikan-teny: Jabolevona = Very maina (na lany)
--------
Rohy:
243 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0202