JAMBA NY MASO… (SAFIDY: 2012) (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
JAMBA NY MASO… (SAFIDY: 2012)
Ny bika aman’endrika,
meva sady kanto,
no tsapam-po nandrendrika,
nanova ny ranto,
nahajamba ny maso,
nampitondra ankaso!

Ny toky fitapitaka,
fanaon’olo… adala,
miary marim-pisaka,
nafenina tsy ho lala,
nanampina ny maso,
tsy hijerena irony lasa,
fitia niahy natsatso,
sisa no nivala,
namefy tsy niala!

Jamba ny maso,
tsy hoe tsy mahita,
fa tsy te hijery.
Ny fidodon’ny ankaso,
mamela hiady irery.
Kanefa tsy hantenaina
olona hanampy,
na dia hitaraina,
fa noana ka ho faty!

Jamba ny maso,
ninia-notapenana.
Toa ny andrasoandraso,
fo mampitondra faisana.
Fa eo ianao,
tsy misy mpampiampita,
na dia mitalaho,
dia tsy hisy izay hahita!
RRAG
27 Nôvambra 2012
--------
Rohy:
289 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0208