“JE T’AIME”… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
“JE T’AIME”…
Mibitsika mangina, anaty efi-poko, ny herin’ny fitiavana.
Milaza faniriana, zary toa tsy foiko, ny endrikao rahavana.
Ny hantahantanao, arahanao fiangoty, no kintam-pahazavako.
Tiako foana ianao, tsy asiako “doute”, fa tokan’ny fitiavako!

‘Reo “souvenir” mamin’ny fiarahantsika, no reko mitamberina.
Ny hakanton’irony tany, fampiarahantsika, no hira re miverina.
Manaitra aty fanahy, manindrona ny fo, mamafa ranomaso.
Manàla ahiahy, mankarary an-doha, nondesin’ny ankaso!

“Je t’aime”, tiako hatamberina, ho ren’ireo mpialona.
“Je t’aime”, tiako hankarenina, ireo mpifosa lalina.
Teny mba naraviko, saingy voka-po, nitroatra avy any anaty.
Ianao no mba hotiaviko, ho fanaperantsoa, ho tiako mandramaty!

“Je t’aime”, antsoantson’olon-tiana, resin’ny fitiavana.
“Tu m’aime”, ilay faniriana, no mba hotiavina.
Hinoan’ny maro an’isa, ny vesatra sy lanjany.
Sady manapitrisa, ny olona efa babony!
RRAG
17 Febroary 2013
--------
Rohy:
431 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0201