JEREO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
JEREO…
Ry voahangin-tsaha maraina,
‘lay mitoetra ao am-poko.
Aza avela hitaraina,
fa mba jereo ity foko.
‘Lay midongy satria tia,
te ho anilanao hatrany.
Mikiry ny hiara-dia,
hatrany am-paravazan-tany.

Ry salohy fanantena,
toy ny felam-boa miavaka.
Aza avela ho faharesena,
no hitondra any an-davaka.
Fa mba jereo dia ampio,
ilay foko manantena.
Tiako hiova ny anio,
mba ho andro fandresena.

Ry maraina maiziko iny,
fery maro no mitoetra.
Hatramin’ny fo tsy manan-tsiny,
dia nandrombinan-tsetrasetra.
Nizoga holatra maraina,
milanja ràtra rehefa hariva.
Isan’andro mitaraina,
eh! Ka ny hazavana ity madiva!
RRAG
Desambra 2012
--------
Rohy:
278 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0209