JERY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
JERY…
Oroka najary,
natao tsara kaly,
ilay nisafo molotra,
toy ilay tsipolitra,
nanaraka mpandalo,
vao nahare ‘lay kalo,
tanaty feo manga,
no indray nandrangaranga,
ny fanantenana,
navalon’ny omaly,
noho ny hadalana,
‘zay finga-nampijaly,
namono ny hafanana.

Jery indray nitopy,
nitondra fo nitosy,
nandrafitra tantara,
toa ratsy fiafara,
nanitatra ny zaitra,
fery toa tsy laitra,
efa toa tsy zaka,
fa mainka nahazo laka,
nanindrona ny tena,
namato-paharesena,
nanoto-bovo-tany,
nandrakotra tomany.

Maso indray nitily,
nibanjina ny lasa,
no faka nampitsiry,
‘reo ‘zay vita kasa.
RRAG
Aogositra 2012
--------
Rohy:
415 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0205