JIRO MANAZAVA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
JIRO MANAZAVA…
Ianao! Eny, tena ianao irery,
no hany nahatsapa, fa misy zavona matevina.
Eny! Ianao, no tsy nahavita nijery,
fa avy dia nanongo-paka, nanototra azy ho levina.
Hahafahako miroso, dia ianao no jiro,
toka-mpanazava, ‘lay fo izay nitsilo.
Tsy nihambahamba, izato ianao ry Lisy!
Tsy nitazan-davitra, na niandry teny indrisy,
fa avy dia nitsabo, ny ràtrako nandavo!
Tsy nihambohambo, fa hoe tsy mety lavo.
RRAG
Alahady 17 Nôvambra 2013
--------
Rohy:
277 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0228