KABAOSY! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
KABAOSY!
Tsapatsapao dia ho hita ny alaliny!
Setrasetrao raha hitsapa ny jaliny!
Hantsikantsiho dia hoavy hisetra!
Vanivanio raha hiantsy ny fetra!

Ny fiainana lesy ry zandry tsy amboa!
Ka toraha-milefa rehefa mahavoa!
Rehefa enjehiny dia mibadabada!
Miantso vonjeo hoe: “Maty aho ry Dada!”

Sedrasedrao dia ho tsapa ny ivony!
Tetatetao raha hahaloa ny vidiny!
Hogahogao raha resin’ialahy!
Fa ho tsapan’ialahy eo ny haratsiam-panahy!

Kabaosy hoy ialahy kanefa handosirana!
Mahery an-drano fa zana-boahirana!
Sinaingy ialahy tsy sahy miady akory!
Vao tampoka avy izy, dia mody resi-tory!

Ny fiainana ho’aho tsy mba akoho!
Ka hampitahorin’osy dia mikoropaka koa!
Rehefa voafantsiny anefa migogo…!
Ity izy anefa toa mbola voarojo!

Kabaosy hoy ialahy kanefa hilefasana!
Tsy fantatr’ialahy ve hoe akaman’ny fasana!
Saingy mbola tsy nisetra dia setrasetraina!
Vao rivotra kely anefa dia injay mitaraina!
RRAG
30 Janoary 2001
--------
Rohy:
377 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.02