KENDAN'NY RIVOTRA...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
KENDAN'NY RIVOTRA...!
Fitia efa hita ho ratsy fiafara, tinerena hitsiry handràtrana ny anaty.
Fo 'zay tinazana tsy mitepo tsara, no hampakàna alahelo fa maika ho faty.
Tsy mijery ilavitra izay mba ombana, tsy mikendry ny hahatsara izay hiafarana.
Variandriam-poana anaty hadalana, milomano an-kianjan-dRafilibana!

Io ny fahatanorana tiana hodradraina, deraderaina fatratra, fa kanto ohatr'izany.
Ka ho hila isan'andro dia hirahiraina, lalalalaina ho mamy toy izany.
Hanesoana mihitsy ny hafa fijery, hisoketana ny hafa fiainana.
Dia lazaina tsy mandroso izay miteny, satria tokoa ve hoe hafa fisainana?

Dia miliba, mimamo, mifoka, miloka, io no tontolony hila isan'andro.
Tsy hadinony mihitsy ny mba migoka, ka an-tatatra no hita rehefa maty masoandro.
Lany ny an-tanana ny trosa miavosa, tsy hay ny mitsinjo ny andro rahampitso.
Namidy ny fananana saingy toa tsy afa-trosa, ka ho lanitra sisa no hany fanitso.

Ho eny an-dalana no handry sy hatory, ho an-dava-pako no hitady ny harapaka.
Taloha ve nahalala 'zay olona ory? Ka ankehitriny no hoe hangataka!
Kendan'ny rivotry Rafandrosoana, dia lahatra foana no omena tsiny.
Ny filàna mandalo no ninia notompoina, nefa aiza izao ankehitriny?

Fitia tsy an'ny tena no nodongiana, ka volan-tsy ho azo no hantenaina.
Kinta-mandalo no indray koa irina, fa tsy mba noheverina fa ny herin-tsaina,
sy ny herin-tsandry no tena fandrosoana, ahafaha-mivoatra mita ireo dingana.
Arahana ezaka amam-pinoana, ka sedra toa an'iza no tsy ho hety ho ringàna?
RRAG
12 Oktôbra 2017
--------
Rohy:
322 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0962