KILALAON'NY FO...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ity tononkalo ity dia atolotro manokana ho an'ireo rehetra manam-po mitepo, ka mahatsapa fitiavana na izany efa naboraka na izany mbola voatahiry ao am-pony ka zary fitia tsiambararoa!

KILALAON'NY FO...!
Raha resaka fitia, no ‘ndeha hasian-teny,
dia fo hafahafa, izany tsy hitia.
Ny sasany aza moa, vao masony mijery,
dia mahalaza sahady, fa babon’ny fitia!

Misy ny mivaky, fa ao ny mitahiry,
sakanana mihitsy, ny fitia tsy hitsiry.
Heveriny angamba, fa sora-dalàna,
indray mipimaso, dia azony fafana!

Ao ireo manao, fitia kilalao,
tsy mahatsapa akory, ny ràtra apetrany.
Tsy mbola niova, hatramin'izao,
na maro aza hono, ny efa voazerany!

Fo mba karakory, izany hankahala,
hifahavalo amin'ny tiany, 'zay hantsoiny malala?
Toa sarisary, mety hoe fo sendra tezitra,
nefa na izany aza, mitadiava hevitra!

Ny kilalaon'ny fo mantsy, tsy iza tsy akory,
fa ny misangy, fitia resi-tory.
Manaitra tsy rotitra, hifoha torimaso,
nefa dia maràtra, raha sendra ankaso!

Ny kilalaom-po, toa sangy tsy lera,
tsy misy fotoana, fa ho hila isan'andro.
Voafingana kely, dia efa mianjera,
izay ve vao hoe: “Nidiran'andro?”

Ny kilalaom-po anefa, dia novolen'ny saina,
zary faka mamatotra, tsy tambo isaina.
Tsy tena voka-po, fa toy ny ahi-dratsy,
nefa fakam-panahy, tsy mety maty!

Tsy hoe ratsy akory, ny mitepo fitiavana,
fa ny kilalaom-po, no manimba ny fototra.
Dia ny tsy nihary, no zary hitavana,
satria ny anao fitia, an-tendro molotra!
RRAG
25 Mey 2017
--------
Rohy:
464 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1034