KINANJO IANAO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fahatsiarovana manokana ireo miaramila Malagasy izay namoy ny ainy tan’ady tany ivelan’i Madagasikara.

KINANJO IANAO…
Nifanao fotoana isika,
kinanjo ianao tsy tazana,
hamonjy izany! Ianao toa tsy hita,
fa hoe: “Nandeha niatrika ady mazana”.

Nalefa nita rano,
hitolona! Ho an’ny firenena.
Kinanjo ianao nahita angano,
nafoy hatramin’izato tena.

Ranomaso no nandraisana,
‘lay vata-mangatsiakanao.
Izay niandrasan’ilay fasana,
eny, hatramin’izao!

Indrisy razan-drotirotika,
potipotiky ny bala.
Efa tena potipotika,
efa tady tsy ho lala.
no niverina namonjy,
‘lay akanin’ny fitiavako.
Ka ny fahafatesanao,
no nandavaka ity lavako,
‘zay tsy hotototro intsony!

Nifanao fotoana isika,
ianao kinanjo toa tsy tonga.
Ay! Ianao namita iraka,
tany an-dafin’ny riaka.
Indro vata-mangatsiaka,
rotiky ny bala, nozeràna baomba!
Indrisy e! Mantsy faty sisa,
no natao hifankahita!
RRAG
Febroary 2012
--------
Rohy:
264 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0216