KISARISARY FOTSINY... - RRAG
Azo vakiana?
Ny datin’ny 14 febroary 2021 dia hijanona ho isan’ireo andro sarotra hohadinoina eo amin’ny fiainantsika roa (RABEMANANTSOA Anah Fisainana).
KISARISARY FOTSINY...
Kisarisary fotsiny ny endrika ivelany,
fa ny ao am-pontsika no fetran'izy ireny!
Tsy voatery ho marina izay lazain'ny lelany,
somary nisy sira sy sarisarin-teny!
Fa tokana ny fototra dia ny fitia anaty,
tsy kisarisary intsony fa irin-tsy ho faty!
Kisarisary fotsiny ny fanomezana fanolotra,
kisarisary koa irony aloa-molotra!
Saingy tena izy iretsy toky vita,
nefa aleo aloha ny atao no hita!
Satria toa sarotsarotra ny manavaka ny sary,
raha fitia miredareda no injao abarivary!
RRAG
16 Febroary 2021
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : RRAG

Nampiditra : RRAG
Daty : 18/02/2021
Mpamangy : 57
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
VETAVETAINY….MATIMATY FOANA SA?
FO VERY...
TSY MISY HANIRY...
ANAKA...
SANATRIA KOSA ALOHA…
ITY FAHOTAKO…
AIZA IREO KARENJY?
IANDRASO AHO RAHA HO ANY IANAO…
MIVARO-PASANA…