LAKALAKA NY FIAINANA…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LAKALAKA NY FIAINANA…!
Ninoninona atao, ny trosa no betsaka.
Ny hohanina anio, rahampitso vao ho hita?
Ka nahoana moa, no hahafahana hipetraka,
raha ny ady omaly aza, mbola tsy vita?

Lakalaka ny fiainana, ny omaly no miverina.
Betsaka ny ady fa, ny anio no tena mafy!
Toy ny lasa nolalovana, injay mitamberina.
Lakalaka ny fiainana, ka tsy vitsy no maty!

Tsy hoe tsy mahatanty, ny ady miseho,
fa efa osa loatra, tsy manana hery.
Misy mihitsy aza, maty vao teo,
maty mahantra, toa tsisy mpijery!

Lakalaka ny fiainana, ny ambony mbola ho ambany.
Ny fanaintainana, toa mbola ‘lay omaly.
Ny hitoviana amin’ny mpanana, moa tsy tomany?
Lakalaka ny fiainana e! Fiaina-mampijaly.

I Neny mahantra aza, nofinganiny mihitsy.
‘Ty fiainana ity lahy, toa tsy mba mitsitsy!
Midaroka ankolaka, ny osa sy ‘zay malemy.
Lakalaka ny fiainana e! Tsy misy tsy miteny.
RRAG
Mey 2013

--------
Rohy:
559 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0241