LALANA IZAY NOLALOVANA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LALANA IZAY NOLALOVANA…
Misento manipy jinery,
mandatsa-tomany amin-tava.
Toky efa vita tsianjery,
no hanembonan’alahelo efa ho lava.

Latsaka ny ranomaso,
vontosam-pahoriana ny fo.
Tomefy herisetra sy ankaso,
nefa sendra fitia vao miandoha.

Lalana izay nolalovana,
no injay mitamberina indray.
Mamerina fahatsiarovana,
sedrain’ireo tsiaro namay.

Dia nijanona ny ora noheverina
fa hamafa ny lasa rehetra.
Ka mbola iny no setra niverina,
nandrotik’aina ka tsy nanam-petra.

Dia ny lalana izay nolalovana,
no fitomboka tsy nety voafafa.
Ka ny fitia no zary fahatsiarovana,
porofon’izany ireo ràtra.

Misentosentoa re ry fo ô!
Mitonia rehefa ary hery e!
Ny mangidy aza mety hahasoa,
ny hoavy aza anie misitery e!

Ny lalana izay nolalovana,
mety mbola handalovana ihany.
Ka aza ny maika ho torovana,
amin’izay tolon’ny tany…
RRAG
28 Aprily 2020
--------
Rohy:
366 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0226