LALANA MALAMA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LALANA MALAMA…
Nangina ilay toerana, nitondra ilay fakam-panahy,
ny siokan’ny ala aza re, nampitain’irony vorona.
Nangingina ny tan’ala, nahatonga ahy ho sahy,
ny fihetsikao mihitsy anefa, no nanery ahy ho vonona.

Ka nandeha ny orokoroka, ilay narahan-tsafosafo,
ianao tsy nahay nionona, fa injay! Nitsapa ny ankaso!
Ka namaha ny bokotrao, hanesorako ny akanjo,
nanakana ihany aho, saingy indrisy fa kinanjo!

Nailikao ny tanako, dia avy eo nafatotrao,
notairinao ny ratsy, ‘lay tao an-dohako tao.
Ka resy aho, resin’ny fakam-panahy,
dia sahy nanohy ‘ty raha natao, tsy nisy ahiahy.

Dia nitohy ny orokoroka, ny safosafonao tsy niato,
trondro aho ity, voaringitry ny harato.
Voafatotry ny saina, ka nanadino ireo toky,
velirano sesehena, natao tahiry anaty boky.

Minitra dimy teo angamba, dia nifarana ny sedra,
ilay ady tena mazana, setrasetra tena ‘ngeza,
ilay tsy tohi-po nitia, fa voafatotry ny filàna.
Anio, neniko avy ireny, zary lalana malàma!
RRAG
Aogositra 2012
--------
Rohy:
292 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0219