LANTO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LANTO…
Tetika voarindra, sady tsara rafitra,
soritim-piandohana, fehezina ho haharitra.
Faranan-tanjo-nokinendry, sy ny vinavina,
ilay tsara fandaminana, fa noraketin-dina!

Tsy maika toa tsy taitra, saingy tsy ho tara,
satria tokoa mantsy, efa voalanto tsara.
Tsy feno nefa tsy banga, tsy ahiana hanahirana,
vao dingam-bita iray dia, ahita-mangirana!

Milanto sy milamina, mitony sy mirindra,
ny paika novolaina, ‘zay ainga kanto indrindra.
Tsy hisy fahataperany, saingy toa voafetra,
tsy tena fanaperana, fa kosa miava-toetra!

‘Zay ‘lay lanto tokana, mietry sy manetry,
tsy tia mihambo tena, fa isan’irony fetsy.
Saingy tsy manaiky, halavo am-pisedràna,
mahafantatra ny hona, sy ny lalana malama!

Lanto! Ilay ivom-pandeferana lafatra sy fatratra,
fitaratra voatokana, ho singa mpampita hafatra!
Ilay filanton-kianja, fonenam-pahasambarana,
saingy ny eto an-tany, toa nofy! Izany hoe fiadanana!
RRAG
04 Janoary 2003
--------
Rohy:
246 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0213