LAODIVY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LAODIVY…
Mamo tena mamo, tsy mahita ny hombana!
Doroky ny taoka, dia nikaoty ity Ramama!
Niezaka nisafo ny ivom-pitombenany,
voadaka tsy hita maso, teny amin’ny harenany!

Tsy nahazaka izato tenany, safotra nianjera!
Dia nifamonjena ka nandaniana lera!
Ka injay ny anao nanofy, fa mbola any am-pirevena,
laodivy iray tavoahangy, no nigohana tsy ankiera!

Tampona tanteraka, hatrany anaty nofy,
ka efa hila ho hazeran’ity taoka nampitosy.
Dia injao namafa lalana, mpanadio tanàna!
Ny tena amin’io, mbola manofy orohan’ilay Ramama!

Laodivy ilay mahery, tsy nahafafa irony volana,
no natao indray nigoka, hanalana sedran’olana!
Saingy iza no tsy hiteny, raha mbola manam-bava?
Rahoviana koa moa zany, ‘ty taoka vao hisava?

Loza izany hoe: “Mamo hatrany anaty nofy”.
Fa mbola loza koa: “Ilay an-tatatra ny hitosy”,
hanosihosy fotaka, mandry sady maimbo!
Fa mamon-daodivy, dia hametraka baraingo!
RRAG
12 Febroary 2003

Dikan-teny: Laodivy = Taoka mahery (Eau de vie)
--------
Rohy:
309 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0732