LAPAN’NY FO MANANTENA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LAPAN’NY FO MANANTENA…
Lapa miavaka, rova tsy foiko!
Tontolo miravaka, ny aingan’ny foko!
Fanilo nandrehitra ny fanantenana!
Afo nandevona ny hadalana!

Lapan’ny fo, izay manantena!
Lapa najary, ho fakam-pirenena!
Ho sata ijoroana, sy ho foto-dalàna!
Lapan’ny fon’ireo mahalala!

Lapa miavaka, kanto indrindra!
Tontolo miravaka fanantenana!
Lapan’ireo ‘zay tsara famindra!
Afa-mandevona ireo hafokana!

Lapan’ny fo, dia ‘lay fo manantena!
Lapan’ny aina, saha Edena!
Rova voavoatra, ny fitia mafy orina!
Vokatry ny fo, fa tsy noforonina!

Tsy ravan’ankaso, na ringan’ny afo.
Tsy vitan’ny maso, sy vidina lafo.
Vidin’ny fo, sy ny aina amin’ny ràny!
Io no mampiavaka, ny ravaky ny sahany!

Lapan’ny fo, dia ‘lay fo manantena,
fa handroso tsy ho ela, ny firenena!
Afaka amin’ny zoga, nataon’ny hafa!
Handroso am-pitiavana, tsy mihafahafa!
RRAG
05 Nôvambra 2011
--------
Rohy:
272 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0205