LASA ADALA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LASA ADALA…
Mametsovetso irony lasa,
izay nodoran-ka tsy may.
Sy ‘retsy zava-boakasa,
tsy nisy efa na iray.

Migogogogo mitomany,
hampitoniana ny alahelo.
Tsy nampisinda azy izany,
fa toa vao mainka nampihelo.

Lasa adala hoy ‘ty saina,
dia mirediredy fotsiny.
Ity fo ka be taraina,
fa voatsindrona ny nofony.

Eh! Toa misy fery lalim-paka.
ka tsy hahitana izay ho atao.
Minia ny mangala-daka,
amin’izao fotoana izao.

Kanefa, tsy ‘zay vony ratsy fototra,
no indro atao mamaky loha.
‘Ndeha ataovy tsara tototra,
mba ho ringana sy ho lo.
RRAG
04 Nôvambra 2009
--------
Rohy:
276 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0209