LASA HONO IZY... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Avy amin'ny mpikambana rehetra eto anivon'ny Club UNESCO-FTMM Moramanga, ny mpikatroka Tae kwon-do ITF sy ireo tapaka sy namana rehetra ao anatin'ny seha-panatanjahantena hafa. Mandria am-piadanana ry ilay Hery nanondrotra ny madinika izay Rain'ny fihavanana sy ny fifandeferana. Tokana ianao!

LASA HONO IZY...
Ry vintana mpangarika, mpisetrasetra loatra.
Mafy izany kapoka, nazeranao ho anay.
Aiza ilay nofy, sy vinavina hivoatra?
Nefa dia izao, nazeranao indray!

Lavo ny andrarezina, gina tsy nahateny.
Toa sangisangy ratsy, izato fahalavoany.
Ka ny fo anaty, hontsa toa tsy hahajery,
izato fingampingana, ninday fo tsy tony.

Lasa hono izy, toa ora vetivety.
Segaondra tsy hitahita, niridana ohatr'izany.
Ny safidim-piainana aza, toa tsy afaka namefy.
Fa mainka lasa izy, tsy voasakan'ny tomany.

Mandria am-piadanana, ry 'lay Ray 'zay mpanabe.
Saina matsilo, vatana salama, fanahin'olom-banona,
navelanao, ho lova sy ho harena, enti-mirehareha!
Lavonao ihany izy, ry fahafatesana tsy vanona.

Hery ianao nahefa, ny tsy efan'ny hafa mihitsy.
Iza izao no handray, ny tarigetranao?
Tsapanay anefa, fa mbola tena vitsy.
Raha ny olom-pirenena, tahaka anao!
RRAG
19 Febroary 2018
--------
Rohy:
372 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0215