LASA NODY IZY... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LASA NODY IZY...
Omaly harivariva, 'lay izy avy nihaona,
namonjy ilay ora, nataonareo fotoana,
no nisy hafanana, farany ny vatany.
Fa lavo nianjera, nazeran'ny ràtrany!

Izay nihombo mafy, raha nahare anao,
nahare 'lay tiany, nilaza ho efa lao,
nilaza fa tsy tia, tsy te hahita intsony.
Tamin'iny anefa, no hany nitepon’ny fony!

Mafy loatra hono, ny sedra izay lanjainy,
ka ny fiainana eto, no zary nankahalainy.
Dia nalainy tany an’efiny, 'zay lamba mety hahazaka,
nahantony ny tenany, toy ny vono saka!

Fa aleony hono, tsy ary raha hijaly.
Toa efa maro ny azy, ny hika sy tomany.
Nitia tokoa ny fony, sinaingy nampijaliana!
Ianao 'lay hany tokany aza, tsy mena-nivadi-dina!

'Zay dina nifanaovana, fa hifamatotr'aina.
Nefa nozakainy, hatramin'izay taraina,
fampijaliana maro, nataonao taminy.
Fe ankehitriny, naleony, namonjy ny akaniny!

Lasa nody izy, fa tena leo ity tomany.
Rehefa tsy ho anao dia, aleony mitototany!
Mandevina ny lasany, any an-tsy taka-maso.
Efa ampy ny azy, ny fery nentin'ankaso!
RRAG
05 Martsa 2018
--------
Rohy:
382 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0203