LATSA-BATO…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LATSA-BATO…!
Raha mbola afaka hisafidy,
na koa avela mba hifidy,
amin’ny tiana sy ny tia,
anoloan’ny fitia,
dia aleo ‘zay tsara orina,
mafy fototra fiforona,
no alaina ho anjara,
hanoratana tantara.

Raha mbola manana fahafahana,
hikaroham-piadanana,
eny anivon’ny onjam-piainana,
‘zay feno ràtram-panaintainana,
dia ny fahasambaram-po,
sy izay rehetra mety hahasoa,
no safidim-bato alatsaka,
hanoherana ‘reo sakana.

Raha latsa-bato moa ny fiainana,
fifidianana no iainana,
ka safidy ny hiaina,
izay tiana no alaina,
dia hafahafa ny mivelona,
angamba tsy hisy tia hitrerona,
fa efa samy nisafidy,
ny anjara sy adidy.

Ka dia voadika izay voalahatra,
tsy hisy fo mitepo hitsahatra,
samy te hijanona eto,
satria tokoa tsy misy sento,
fa nofoanan-datsa-bato,
‘reo herisetra mba hiato,
dia tontolom-piadanana,
tsy mba misy tosi-tanana.

Raha latsa-bato no ivelomana,
hitsiry hatrany ny fahavononana,
satria ny tanjona kinendry,
dia tsy voasoritry ny tendry,
fa dia safidin-datsa-bato,
mamy ihany fa tsy hisy tsatso,
saingy nofy anefa izany,
raha mbola tany koa ny tany.
RRAG
27 Jolay 2018
--------
Rohy:
562 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.023