LATSALATSA...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LATSALATSA...!
Tsy mba noheverinao ve, fa ràtra ho azy ireny?
Sa nararaotinao, satria hoe izy tsy niteny?
Dia nitabataba ianao, nahita ny fahanginany.
Nolatsainao izy, fa hoe tsy efany ireo vinany!

Tsy tafita izy, tsy afa-panadinana,
dia hoy ianao: “Izay atao rehetra, tsy nahita-mangirana,
isan-taona izao, dia mahita izay mi-“double”.
Itony mihitsy koa, angamba no efa dondrona!”

Tsaroany ireny, ekeny satria tokoa sedrany.
Izany no nanginany, tsy nanalavany ny lelany.
Fa ianao mihitsy, no tsy mba niezaka nandinika.
Avy dia nandatsalatsa azy, etsy koa nitakoritsoka!

Izao ianao 'zao aiza, moa tsy any aorianany?
Tsy tanteraka ihany izany, izao ilay dinany?
Izy dokotera, ianao mpivarobarotra.
Ianao mahita azy, mbola miseho mangarika!

Nefa indray andro, narary mafy ny zanakao,
sendra tsy nisy vola, izato ianao ka nitalaho.
Tsy nahoana anefa, ireny lasa vitanao,
fa mainka izy nisaotra, tamin’ny tositosikao!
RRAG
13 Jolay 2017
--------
Rohy:
347 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.058