LAVO EO AMBONY…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LAVO EO AMBONY…!
Nihantona fotsiny fa tsy nianjera,
hoy ny sangin’ity mamolava.
Aminy angamba izany no dera,
dia mahatonga azy ho basivava!

Toy izany ny fiainana raha atao topimaso,
misy ny mihafy fa vitsy izy ireny.
Misy aza moa fototra ankaso,
faka iray nandavo ny Reny.

Lavo ny Reny, noho ny ditran’ny zanaka,
ka fasana sisa no hany akaniny.
Lavo tambony fa saingy tan-davaka,
tapitra hatreo koa ny hikan-tomaniny.

Miantso ny rà, izay ifamatorana,
ka iza no ho lavo, raha misy manozona?
Ny fiainan’ny tany, ilàm-pahamatorana,
mba tsy hianjera foana, toy ny olom-boaozona.

Miroso ny fiainana, na lavo azy i Neny,
nianjera izy e! Ka tsy afaka hiteny.
Tsy afaka hanova, izay lasa efa vita,
Tsisy azo atao raha tsy, ny manarina sisa!
RRAG
Janoary 2012
--------
Rohy:
252 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0179