‘LAY DINGANA VOALOHANY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
‘LAY DINGANA VOALOHANY…
Fantatrao fa mamatotra ahy, ny tahotro sy ny henatro,
hanatona anao, hilaza izay rehetra am-poko.
Fantatrao aho fa tsy ho sahy, ny hanokatra ny molotro,
ka haneho aminao, ‘lay fitiava-nokoloiko.

Fantatrao ny fahatahorako, ny hiroso haneho ireny,
toky maro sesehena, ho porofon’ny fitiavako.
Mamatotra ahy ny fatorako, mamatotra ahy tsy hiteny.
Mihazona ahy tsy hahaleo-tena, hamaky teny avy eny am-bavako!

‘Lay dingana voalohany, iny dingana iny mihitsy,
no tsy sahiko dikaina, hanatonako anao.
Ilay dingam-boalohany, nataoko toa tsy nisy,
satria niahotra ny saina, ny hamaky izany ho anao.

Fantatrao ny ato am-poko, saingy menatra,
toa miandry vava latsaka, miandry fahasahiana avy amiko.
Ianao nefa tsy foiko, fa ny anatiko matahotra,
tsy hahavita dingana, na dia mavesatra tsy tantiko.
RRAG
21 Febroary 2012
--------
Rohy:
280 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0206