‘LAY OROKA NITONDRA FAKAM-PANAHY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
‘LAY OROKA NITONDRA FAKAM-PANAHY…
Zavona natevina, nitondra oram-baratra,
no nanarona tanteraka, ny lanitry ny tany.
Ranomasom-po, anaty fahavaratra,
hirifiry lava, fitoetran’ny tomany.

Tinazako ianao, nanoroka ny molony,
nijinery ahy, tanaty jery miavona.
Hitako ianao, nihazona ny sorony,
ka dia vitanao, namela ahy tan-trano.
Toy ny lamba efa navalona!

‘Lay oroka nitondra, nitondra fakam-panahy,
no fototra tsy fantatra, nandaozanao ahy.
‘Lay oroka nitondra, ny alahelom-poko,
no zary herin’onja, hahatonga anao ho hafoiko.

Ny ranomasoko nilatsaka, toa nihomezanao.
Nanesoanao, ny alalin’ny fitiavako.
Ny foko tsy nitsahatra, ny nitia anao,
no varatra nalatsaka, tanivon’ny anjarako.

‘Lay oroka nitondra, nitondra fisarahana,
no hany voatahiry, anatin’ity foko.
‘Lay oroka ‘zay zary, foto-pisarahana,
no vony iray nitsiry, nandràtra ny atim-poko.
RRAG
23 Febroary 2013
--------
Rohy:
289 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0207