'LAY PAKA TOY IZAO...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
'LAY PAKA TOY IZAO...!
Ekeko fety masina, ny Paka toy izao,
saingy hafa ihany, ilay Paka lasa izay.
Teo no nahitako, 'lay tena endrikao,
ianao 'lay nandalo, teny akaikinay!

Iny Paka iny, no Paka fahavelomako,
nitsirin'ny foko hitia, hitia anao mpandalo.
Iny Paka iny, no nanomboham-pitolomako,
ka nanolorako fitia, anao tanaty kalo!

Hafa ihany lahy, raha iny Paka iny,
Paka fahatsiarovana, ny nahitako anao.
Amiko tsy hisy, andro toa iny!
Ankehitriny aho mantsy, dia eto anilanao!
RRAG
31 Martsa 2017
--------
Rohy:
297 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0176