'LAY SARY...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
'LAY SARY...!
Te hanontany aho, saingy miahotra,
ny valin-teninao, no mety mampatahotra.
Nefa, inona no hadisoako, raha hanontany anao?
Asa a! Mety hoe matahotra, ny hilaozanao?

Saingy tsy hitony, ny foko raha tsy hahalala,
ny voka-tsavasavan'ity masoko adala.
Ny saiko te hamantatra, fa izy moa no iza?
Endrika vaovao, toa sary simbasimba!

Endrika tsy vina, tsy lavitra ny saiko,
ny hahalala azy anefa, dia mety handràtra ny aiko!
Fa fantapantatro ihany, ny mety ho anarany,
tsy lavitra izany, koa ‘zao ny tantarany.

Ianao efa nilaza, fa efa voafafa ireny,
ka 'lay sary hitako iny, tsy nasiako teny,
sao mantsy indray hamoha, ny lasanao fahiny.
Hialako tsiny, fa raha iny sary iny, dia efa nodorako iny!
RRAG
08 Mey 2017
--------
Rohy:
405 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0163