‘LAY TENY AMINAREO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
‘LAY TENY AMINAREO…
Ianao irery no tan-trano, nijoro teo an-davarangana.
Nandrangaranga nijinery, ‘lay masoko nangarangarana,
nitily maso anao ilavitra, ka nifanojo ny masontsika.
Babo aho, resinao, dia lefy ho azy ilay hatsiaka!

Nisioka mafy ianao, mba hampitodika ahy indray,
hijery farany, mialohan’ny handaozako ‘lay vohitra!
Nivoaka ianao hanatona ahy, kinanjo ‘njay!
Fiara iray nitatatata, nandonanao ‘lay potraka,
tafintohin’ny vato, nialohan’ny niampitàna.
‘Lay fifaliako kely teo, zary lonjitra hadalana!
Niazakazaka aho, namonjy anao nianjera,
saingy indrisy, niala ny ainao, izaho tara lera!
Tsy nahafantatra akory, izay mba fiantso anao!
Tsy nahalala akory, izay anaranao!

‘Lay teny aminareo, teny no nifankahitàna,
teny no fotoana, tsy maintsy nisarahana!
Hitako ianao, teo no fiandohana,
io andro io ihany koa, ilay androm-piafarana!

Teny aminareo, no nahitako ilay masoandro,
nefa teny ihany koa, no nahitako haizin’andro.
Nisy varabe nilatsaka, nianjera teo an-dohako!
Teny ihany koa, no nandevenako, ilay finoako!
Fa fifaliana tsy naharitra, ranomaso ninia nisembana.
Fery vonona ny hanafika, tsy nanomanam-pitandremana.
Ka ‘lay teny aminareo, toa zary halako mihitsy!
Teny ihany koa, ny fanantenako, no nanjavona tsy nisy!
RRAG
Aogositra 2012
--------
Rohy:
284 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0204