‘LAY TSIKINAO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
‘LAY TSIKINAO…
‘Lay endri-misariakanao!
‘Lay tsikin-tavanao malefaka!
No nanosika ahy handao,
‘reo toetra zary vesatra.

Fa io tsiky io,
no nahafahako nanova,
‘reo lasa miendrika tadio,
sy ny toetra nampidi-doza!

Dia ‘lay tsikinao niavaka,
no hany nentiko nandravaka,
‘lay akany mikorontako,
novesaran’ireo olako!

Soa fa teo ‘lay tsikinao,
‘lay nitolona ho ahy.
Nandresin’ny herin’ny talaho!
Nandavo ireo ratsy fanahy,
‘zay te handrava ny antsika!

‘Lay tsikinao kanto iny,
‘zay efa tsy mba mpivahiny.
Iny foana no ao an-tsaiko,
hatramin’izay, hatramin’izao!

Iny no nandrava koa,
ireo olantsika roa,
Ka nahafaha-nanamafy,
‘lay velirano enti-maty.
RRAG
Janoary 2012
--------
Rohy:
552 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0208