LEFONA NATSATOKA... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LEFONA NATSATOKA...
Raha avelanao mandatsaka
ranomaso izato foko.
Na koa mba afaka ny hitsahatra
'ty fokofoko sy toloko,
misaringotra amin'ny aina
ka manakana ahy tsy hisento.
Hampitony ny adin-tsaina
anaty kalom-betsovetso.

Dia hangina aloha ny tena,
hiezaka ny hitraka foana.
Tsy hanaiky ny horesena,
ka ho malo-dava sy hisaona.
Fa handrindra ireo kinasa,
nofinofisinao fahiny.
Dia hanadino irony lasa
hiatrehana ny ankehitriny.

Dia mivavaha ho an'ny fony
'lay tsy mena-nanadino!
Izato foko mbola ory,
taitra tampoka tsy nino
hoe notsatohany ampinga,
lefon'alahelo anaty.
Ka namono irony singa
niazom-pitiavana tsy ho faty.

Lefona natsatoka tsy nananan'antra,
no nandefonanao ny foko.
Namela fery anaty sy holatra amin'ny lasa,
saingy 'ty fo tsy te hioko!
RRAG
20 Aogositra 2020
--------
Rohy:
408 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0211