LEO (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LEO
Leo ny mamy omeny, dia nikaroka hafahafa.
Tofoka angolan-teny, dia nitady izay mandràtra.
Kivy ity fiadanana, dia namonjy fahoriana.
Tsy te hiaina am-pahasambarana, dia nikaro-pijaliana.

Angamba ianao tsy ho any, tsy hiverina any aminy.
Tsy hamafa ny tomany, fa haka izay nindraminy.
Angamba ianao tsy ho any, hitsidika ny akaniny.
Ireo vita sy efa omaly, dia efa tsisy ambinambiny....
RRAG
20 Jolay 2020
--------
Rohy:
352 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0206