"LOVE" AKIA NY FO A! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"LOVE" AKIA NY FO A!
Vita tefy am-poko
havatsa tsy hay fafana!
‘Lay andro niantsoako
ny anaranao malala!
Resinao, ‘ty fo adaladala,
namaka tsy te hiala!

"Love" akia ny fo a!
Babo potipotika!
Tena tia tokoa
ka hita ho rotidrotika!

Niezaka nizara,
saingy toa nolavina!
Nanantena anjara,
ho tiana sy ho tiavina!
Indrisy nofy ihany
izany rehetra ‘zany!

"Love" akia ny fo a!
Babo potipotika!
Tena tia tokoa
ka hita ho rotidrotika!

Navela teo hitony,
ny ràtra tao am-po!
Nofafana tsy ho eo intsony,
ny mombanao taloha.
Kinanjo naka fototra,
tsy lo kay ‘lay voatototra!

"Love" akia ny fo a!
Babo potipotika!
Tena tia tokoa
ka hita ho rotidrotika!

Rava teo ny nofy,
hisambatra ho doria!
‘Lay fanirian-kitosy,
sy hiantso anao "Chérie",
natelim-pahakiviam-
pandàvan’olon-tiana!

"Love" akia ny fo a!
Babo potipotika!
Tena tia tokoa
ka hita ho rotidrotika!
RRAG
20 Desambra 2021
--------
Rohy:
1007 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0296