LOVIA BAKOLY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LOVIA BAKOLY…
Rakala a! Ianao aloha tsy ratsy!
Ny endrikao koa, tena tsy misy tasy!
Sady kanto ery, no mamiratra jerena,
na izany aza a! Tsy aleo manaja-tena.

Ianao hoy aho tsy ratsy, ny bikanao tsy handositra!
Kanefa anie ry kala, ny tondrotondro molotra,
dia mety hiantefa koa, amin’ny tenanao,
k’izay ve anefa, vao mety hiova ianao?

Ny hatsarana mantsy! Toy ny lovia bakoly,
endrika ivelany, tsy horaharahainy akory,
fa mainka aza anie, ka hilalaovany anao,
dia rehefa hanenina ve, vao hody hitalaho?

Lovia bakoly ireny, mora vaky ery.
Ny fanahy no mahaolona, mahatonga fo hitia.
Fa ny endrika ivelany, sarisary fotsiny e!
Lovia bakoly ireny, ka tsy ho hasiany fotony e!
RRAG
13 Febroary 2018
--------
Rohy:
310 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0278