MAFY ADY SA...? (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAFY ADY SA...?
Miangatra lahy 'ty lanitra ity,
manavakavaka misafidy fihodirana.
Tena tsy namana mihatsaravelatsihy,
mpanavakavaka tsy mila hifandirana.

Ny tena mitrongy vao homana lava,
ny sasany anefa tsy mamboly voky.
Ny an’ny tena dia ny hatsembohan-tava,
kanefa na izany aza tsy mbola mahavoky.

Mangarika loatra ry tara-masoandro,
fa ny tena toa halany ny hafa dia tiany.
Ny aty manerika ho hila isan'andro,
kanefa ny any dia izay tiatiany.

Mafy ady ve izahay sa sendra ady mafy,
ka halan'ny volam-be mibaliaka?
Ny anay mantsy anirotra no andevenam-paty,
fa ny azy ireny, rafi-bato toa raitra.

Ny anay ny anio rahampitso vao hita,
fa ny azy kosa toa efa aman-taona.
Ny anay aza anie ny an-tanana no ritra,
raha sendra marary na ady mivoana.

Mafy ady ve 'zahay e! Sa sendra ady mafy,
ka tsy afa-manantena ny fitseran'ny hafa?
Sa kosa ary hoe, no izahay ratsy fitafy,
dia halan'ny maro, fa hoe tsy misasa?
RRAG
17 Febroary 2018
--------
Rohy:
540 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0321