MAHAIZA MIFETY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAHAIZA MIFETY…
Mijojo manerika mamando tava
ny oran’ny maso mirotsa-tomany!
Sento sy embona anaty kotaban’
iretsy kilonga milalao sady faly
no misintona vetso tsy hay nofafana!
Injay fa mahatsiaro ny fahazazana!

Ilay fahazazana tanilan’i Dada
sy i Neny mpitamby amin’ny ora mafaitra!
Tsaroana hatrany irony hantan-jaza
rehefa tojo sedra sy ady tsy laitra!
Dia indro hatamberina anaty korana,
fetim-pianakaviana ‘zay hifanenana!

Fifanojoan’ny tary sakaiza!
Fihaonan’ny tapaka sy ny havan-tiana!
Eo mifalia ry Ray mpikolo nieza-nitaiza
sy ry Reny nampiana-tsy hivadi-diana!
Fa ireo ny kilonga sy ny zanaka tiana,
miara-mifety amim-pifaliana!

Atambereno ry rà mifamatotra
ny fihavanana tsy hay nofafana.
Ny firaisan-kina no atao tsara fatotra
hamafisam-pototra tsy hety horavana!

Indro fihaonana miary fety
no hanamafisana ilay fihavanana!
Eo no hifanakalozana ny mety tsy mety,
hifanomezan-tso-drano hirariam-piadanana!

Mahaiza mifety sy koa mamantatra
Fianakaviana avy ilavi-tany!
Fa izato no andro iaraha-misantatra
hifampihainoana hirosoana amin’ny hoavy!
Hifanakalozana ny soa sy ny tsara!
Hanehoam-pitiavana amin’ny dimby sy fara!

Etsy ho lesona ny tsara sy ratsy
Tsapa sy hita etoana amin’izao!
Fa tsy ho ampinga hamono hahafaty,
Ny fihavanantsika miseho amin’izao!
Mahaiza mifety!
Manararaota dia mba koa fetsifetsy!
RRAG
22 Jolay 2021

Tolotra manokana ho an’ny namana an-tambajotran-tserasera (Facebook) Vanya Armand ho amin’ny fetim-pianakaviany isaky ny 15 Aogositra! Mirary soa dia manaova fety sambatra!
--------
Rohy:
396 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0209