MAHANTRA AHO...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ity tononkalo ity dia mitantara fiainana zazavavikely 8 taona izay kamboty Ray sy Reny! Nanana ny ampy izy raha lova no ambara ary mety nahatafita azy lavitra mihitsy izany saingy sendra olona tsy azo itokisana no nametrahan'ireo Ray aman-dReniny izany! Ka na dia tapa-panjaitra iray aza tsy azony! Nenitoany kambana amin'ny Rainy ihany no nivadi-pitokisana! Hany ka nolazain'ity farany hoe lany nikarakarana ny fitsaboana azy telo mianaka sy ny nandevenana ireo Ray aman-drenin'ity zazavavy ny harem-be navelan-dRay sy Reniny! Ny teo ary hono nolazainy hoe tsy ampy fa nampiany! Handeha omentsika lohateny hoe:

MAHANTRA AHO...!
Nahoana re ry Neny, ry Dada tiako indrindra?
Nahoana izaho irery, no miatrik'ity fiainana?
Tsy haiko hoe nahoana, no dia tsy mirindra?
Nipimaso dia efa foana, ka iza no hitaraina?

Iza no hihaino, 'ty sombin'ny ainareo,
ary mba hisaino, ny fery mandramatiny?
Ràtra tsy hay fafana, inty aho mba jereo!
Aiza ny hazavana? Eny tena takony!

Takon'ny fitiavan-tena, resin'ny mizahozaho.
Ka ilay hany natokisana, nivadi-belirano tsotra izao!
Nanitsaka ny voady, nanosihosy ny rà iraisana.
Nanapaka ny tady, tena nampidi-faisana!

Mafy izany miady irery, ny lanitra aza tsy mahita.
Marary izany tsisy mpijery, ady tena tsy ho vita.
Tsy ho vitako intsony, fa tena reraka aho ry tany.
Vizaka aho, maràtra, tena rera-mitomany!

Ka alaivo aho raha mety! Ento any!
Toa tsy hety amiko, ny hiaina eto an-tany.
Mahantra aho, mahantra fitiavana.
Ny harena tokoa, tsy maha-mpihavana!

Aza omena tsiny aho, fa na ny lanitra aza sahy nandao.
Ka iza no afaka hitarainako? Aiza aho no hitalaho?
Ny Andriamanitra ao ambony, tsy mahita ahy akory.
Ny lanitra aza resi-tory, ka havana iza no tsy hahafoy?
RRAG
04 Mey 2017
--------
Rohy:
481 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0205