MALAGASIKARA…. (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MALAGASIKARA….
Fa nahoana no novaina, ny anaranao ry Nosy?
Teny hafa toa tsy hilaina, no indray natositosy,
nandrafetana litera, nanoritany anao,
aiza moa no tsy hianjera, tsy ho tafita izato ianao?

Madagasikara, toa anarana hafahafa, tsy nipoiran-drazanao,
Madagasikara, ilay anarana nahazatra, niantsoinay anao,
foiny ianao ‘lay zanatany, nolavon’ireo vahiny,
foiny ianao ‘lay nitomany, tanoloan’ny fahiny.

Raha ianao no Madagasikara, fa nahoana aho no Malagasy?
Tsy mitovy fiaviana, tamin’ny rafi-teninao,
ekeko ianao hoe Gasikara, fa izaho tsy hanaiky ho Madagasy,
anarana hafa fitsiriana, saingy iandohan’ny anaranao.

Raha Malagasikara ianao, dia izaho no Malagasy,
‘lay nanoritra ny tantaranao, tanaty boky taratasy,
izay ninian’ireo mpanjanaka, novàna lohateny,
ka ankehitriny ireo taranakao, nanova lela raha niteny,
niantso ny anaranao.
RRAG
29 Martsa 2005
--------
Rohy:
246 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0315